Teny Zaraina

Teny Zaraina: an app for spiritual inspiration and daily verses.

Developer: ICHTUS IT

Category: Lifestyle (app)

About

Fiadanan'ny Tompo ho aminao! "Mifankazara @ Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao." (Jobah22:21). Amanalina maneran-tany no efa mandray Teny Zaraina isan'andro, @ alalan'ny sms, Facebook, mail, ... endrika vaovao ahafahanao handray izany izao application izao! Application Teny Zaraina - Anisan'ny tsangambaton'ny faha-15 taona nisiany. NY MAMPIAVAKA AZY: . Afaka mampiasa na inona na inona anaram-piangonana misy anao. .Fomba tsotra,haingana,mazava, ahafahanao hifandray @ ilay Andriamanitry ny Baiboly. . Hanampy anao be eo am-piatrehana ireo adinao na mbola tsy Kristiana aza ianao. . Tsy mety lany andro ny 80% ny Teny Zaraina! Hahasoa anao foana ny hamaky azy! Ireto avy no hitanao ato: . Toriteny fohy isan'andro sakafom-panahy, fampaherezana, fahalalana, fanitsiana, ... ho entinao hiantrehana ny tontolo andro. . Lohahevitra maro momba ny fiderana, vavaka, ... Mba hahafahanao hitombo aram-panahy. . Fijoroana vavolombelona ho an'ireo izay efa nandray ireo Teny Zaraina. . Vavaka taridalana ho fanampiana anao. . Hira sy Rakin-tsary izay notsongaina manokana, na momban'ny firenena, na firaisan'ny Mino, na momba ny fifohazampanahy. . Fahafahana miresaka mivantana @ alalan'ny Chat, afaka hangatahana vavaka,... Efa tena akaiky ny fihavian'ny Tompo! Efa miseho avokoa ireo famantarana efa voasoratra ao @ Baiboly. Ilaina ny manana fomba fifandraisana akaiky @ Andriamanitra! Hanampy anao be dia be @ izany ity Application vaovao ity. Manasa anao ary! Ratrema Xavier Jean Luc Mpiandraikitra voalohany. Mankasitraka manokana an'i Ichtus IT nanatontosa an'izao application izao.

Details

More in Lifestyle

ilovalar.com for Android